credit auto voiture
Pour Appeler Madagascar sans carte, sans abonnement et mora be, faites comme moi ! Je compose le 0 891 655 600 sur mon téléphone, puis le n° à Dago ! Ca me coute 22 ct€ la mn seulement. Plus d'infos ici avec Téléplanète !
Bon Plans !

Un Pret $ en 24H ? ici

Paris Tana A/R : 499 € ( épuisé)! Places limitées ! Reste vol été 603 € ICI !

Services

Promo Vol Paris Tana

 
Nouvelles de Madagascar Changer de couleur : Pink-Mena-Manga

Global Voices amin'ny Teny Malagasy est un projet de traduction en malgaches d'articles provenant du Globa Voices ( qui est un agrégateur de blog mondial . Le but est de promouvoir la conversation de la langue malgache sur internet à partir d'articles venant d'ailleurs. Global Voices amin'ny teny malagasy est a la recherche de traducteurs ( anglais-malgache / français-malgache ) . Pour participer à ce projet merci de contacter Lova Rakotomalala ici . Chaque Mercredi, Sobika.com diffusera des articles provenants de Global Voices amin'ny Teny Malagasy. Pour voir le site de GVTM : http://mg.globalvoicesonline.org

Tanora ary mamoy fo, vonona hiondrana

Thursday, September 20th, 2007 @ 15:02 PDT

Translated by Mialy Andriamananjara · view original post

Misy orinasa mpitady mpiasa ahiana ho sandoka nentina eo anatrehan’ny lalana any Madagasikara. Gateway Global Consultants, tarihin’izany Steve Turmel izany, milaza fa mpanolo saina maneran-tany, dia nahazo fandrarana hialana an’i Madagasikara , fa nampanantena Malagasy ana arivony asa any Bahamas ao amin’ny « West Palm Textiles and Garnments», raha mameno fombafomba sasantsasany : maka vaksiny miady amin’ny hepatite B, tazo mavo, maka pasipaoro ary mandoa ny vola fehin-draharaha 240 000 Ar (eo amin’ny $93 eo ho eo, vola be amin’ny tany izay ny habetsahan’ny mponina dia miaina amin’ny $1 isan’andro).

Nihoatra ny 3000 ny nirotsaka te handeha, rehefa avy nanamidy izay entana nananany (radio, TVs, tanimbary) mba handoavana io vola io. Ny sasany moa latsaka an-ketra, ny sasany niala tamin’ny asany. Gateway Global Consultants nandray ny taratasin’ireo te handeha tao anatin’ny birao vonjimaika tanaty tranon-tsekoly. Ankehitriny efa mihidy io birao io. Nanontanian’ny fitondrana malagasy ny fitondrana tany Bahamas ka nilaza fa tsy misy an’izany « West Palm Textiles and Garnments» izany. Ny Gateway Global Consultants company koa moa tsy mahalala an’i Steve Turmel. Kanefa mbola maro ireo te handeha no mbola manantena hiainga amin’ny elanelan’ny volana Septambra.

Harinjaka miantso antsika mijery ity toe-javatra ity manisy rohy amin’ny Tribune Madagascar, takelaka gazety malagasy.

Jentilisa manontany tena hoe izao ve no porofon’ny finoanoam-poanan’ny Malagasy mamoy fo te hahazo asa sy mihevitra fa ny fiainana any andafy no tsara kokoa, na anatin’ny fomba fiaina hafahafa ratsy indrindra ary.

“Nahoana tokoa moa no aty amin’ny analiny kilaometatra (Salay arivony) no itadiavana mpiasa nefa ny kaontinanta lehibe eo akaiky eo aza be no tsy manana asa ? Ankehitriny vao betsaka no nahasahy niteny fa teo aloha mbola nangina sao voampanga ho mpanatsatso eo.”

“Hany ka na dia nivoaka tsikelikely aza nmarina mbola nisy ny nahasahy niteny fa aleony mijaly any an-tanin’olona fa tsy izy intsony ny fiainana eto.”

“Eo no nampanontany tena hoe raha samy hijaly ihany ; mijaly eto an-tanindrazana no azo ihafiana kokoa sa ny mijaly any an-tanin’olona ? Nisy manko ireo nasiaka mihitsy hoe tena fadiranovana loatra ny malagasy eto an-tanindrazana ka izany no mampibabababa azy hitady lalana hivoaka. Moa ny fitaizana natao teto amintsika mihitsy no nampanao paradisa ny any ivelany hany ka be loatra ny manofinofy ny hivoaka na dia ireo tsy mahay teny vahiny akory aza.”

Pour réagir à cet article, rendez vous sur Globalvoices @ teny malagasy

 

Shina: Very Saina Ve i Crazy English e?

Wednesday, September 19th, 2007 @ 17:16 PDT

Translated by Jentilisa · view original post

Toeram-pampianarana tsy miankina mampirisika fomba fampianarana teny anglisy vaovao ny sekoly Crazy English naorin’I Li Yang; izany hoe, manadino amin’izay ny fehezanteny anglisy tranainy ary mitady araka izay azo atao ny fomba ahafahana miresaka amina mpiteny anglisy iray, ary manifika amin’ny fomba rehetra ny fahamenarana ihany koa ao anatin’izany. Asaina miteny mafy amin’ny heriny manontolo ny mpianatra ao aminy rehefa miteny anglisy.

Manana toeram-pianarana manerana an’I Shina izy, ary malaza tokoa fa mpianatra anarivo arivony no nandalo nianatra tao hatramin’ny niforonany tsy ampy folo taona akory izay. Na izany aza, niteraka adi-hevitra mafana nahazoana na fanamelohana, na esoeso, eny, fanohanana ihany koa sary iray vao natoraka tao amin’ny Blaogin’I Li Yang. Ny resabe nameno ny haino aman-jery sy ny tontolon’ny blaogy no mahatonga ny tantara ho tsy azo idifiana intsony.

Ny sary izay natoraka tamin’ny 4 septambra dia mampiseho mpianatra 3000 mandohalika eo anoloan’ireo mpampianatra teny anglisy. Sary nalaina nandritra ny fotoam-panokafana ny Crazy English Training Base faharoa tao Bao Tou, anivon’i Mongolia izany sary izany. Mpianatra avy amin’ny sekoly ambony ao antoerana avokoa izy ireo. Olon’ny aterineto maron o nisafoaky ny hatezerana raha vao nahita ary nanameloka fa tsy fanabeazana izao fa fanasana ati-doha ho amin’ny fanompoana sy ny fahatahorana. Any Shina manko, ny fandohalehana dia endrika hanehoana fanekena ho andevon’ny tompom-pahefana. Nanontany ny mpitoraka blaogy Tong Wandou(铜豌豆) hoe :

Na dia endri-panajana ambony indrindra aza ny famoretana lohalika dia fomban’ny mpanjaka mampivoitra bebe kokoa ny tsy fitoviana eo amin’ny samy olona io fa tsy endrim-panajana antonona ny fiaraha-monina maoderina loatra

.

Xu Xiaoping(徐小平), mpampianatra ao amin’ny New Oriental, sekoly hafa manampy ny hafa hanana Toefl sy SAT, ihany koa dia namatrapatraka fanakianana ho an’i Li Yang hoe :李阳接受学生下跪事件,必将成为2007

Ny fisehoan-javatra naneken’i Li Yang ny fandohalehan’ny mpianatra no zava-baovao hanamarika ny fampianarana amin’ity taona ity. Mampiharihary io fa very haja mihitsy ny fampianarana eto Shina. Navelan’i Li Yang hotombatombanana aloh izay dikan’ny fiforetana lohalika mahatsiravina iny . Tsy manaporofo na inona na inona anefa ireny fihetsika ireny afa-tsy hoe ny dikan’ny manabe mihitsy no tsy hainy.

Misy aza moa ny manampy trotraka mampitaha an’i Li Yang ho mpitarika fivavahana amin’ny maizina(邪教):

Miaro ny tenany amin’ny fampianarana ho mpamosavy i Li Yang ho fampiroboroboana an’i Crazy English ( Anglisy tezitra), ary tsy misy zavatra mahasamihafa izay ataony amin’ny fisolokiana. Tsy mpampianatra teny anglisy aho, fa fantatro kosa hoe tsy mila tezitra izany raha hianatra io teny io. Lasa adala ve ny Anglisy na ny Amerikana rehefa mianatra ny tenin-dreniny ?Amin’ny tantara misy sabatra ireny no nahitako fivavahana (vondrona tsy ara-dalàna) ahitana ny mpitarika azy mikoka (miantsoantso) handohalika mba ho fiarovantenan’izy ireo sy hahazoany fitondrana. Mitovy amin’izany mihitsy ny ataon’i Li Yang. Tena adala ve i Li Yang ? Iza no hamonjy azy ?

Nolazain’i Wang Junrong ao amin’ny Strait Metropolitan Daily fa mihoatra ny 270000 ny mijery ny blaogini Li Yang ary 500 any hoany ny isan’ny mametraka hevitra ao anatin’ny andro vitsivitsy fotsiny. Mazava loatra fa mihoatra noho izay nantenain’i Li Yang izany. Fa tsy mampihemotra azy izany ary mbola nanitrikitrika aza izy ny 8 septambra fa :

Haneho ny hevitro aho eto ; voalohany, izaho no niteny tamin’ny mpianatra handohalika ho mari-pisaorana ny mpampianatra ; faharoa, fomba fanao nefa mavesa-danja ny mandohalika.

Notantarainy izay nitranga tamin’iny fotoana iny, notolorany hevitra ny mpianatra hiankohoka eo anoloan’ny mpampianatra no hahazoana fankasitrahana avy amin’ireto farany, fa navadiny ho fandohalehana izany rehefa hitany fa tsy ho antonona ny toerana. Dia noraisin’ny mpianatra izany ary notanterahiny tsara. Rehefa anontaniana i Li Yang dia lazainy fa midika fandinihana lalina ao anaty io fihetsika io satria adinontsika matetika ny mankasitraka izay manampy antsika. Dia nampitahainy tamin’ny fandohalehan’ny Chancelier Alemana tany Polonina izany avy teo. Ary dia nokianiny ho manao ny fomban’ny Revolision’ny Kolontsaina manaratsy sy mamimngavinga ny hafa ny soratry Xu Xiaoping avy eo.Fa tsy nasian’ny mpivoivoy amin’ny aterineto sira ireo fanakianana ireo, Namaly bontana tao amin’ny blaoginy i Zhang Junyi (张军昱)

Pour réagir à cet article, rendez vous sur Globalvoices @ teny malagasy


Ny fandrakofan’ny Zanabolana an’i Afrika

Monday, September 24th, 2007 @ 7:10 PDT

Translated by Jentilisa · view original post

Tsikaritry White African ny sarintanin’ny fandrakofan’ny zanabolana an’I Afrika: “Tao amin’ny

Africa in the Acacia Atlas -2005 ity sarintany ity izay vokatry ny International Research Development Center (IDRC). Mahaliana dia mahaliana tokoa ity sarintany ity fa milaza zavatra maro dia maro mikasika ny fifandraisan’i Afrika amin’ny zanabolana, ny aterineto ary amin’ny finday [anisan’ny hita ao ny an’ny Malagasy rey olona a !] koa mazotoa mijery»

Pour réagir à cet article, rendez vous sur Globalvoices @ teny malagasy

D'autres articles en malgaches sur : http://mg.globalvoicesonline.org

 

ENVOYEZ VOS ARTICLES PAR EMAIL à : sobika@noos.fr

RETOUR HOME

 
 

Soirées malagasy

Transfert Madagascar
Madajournal 5€
Marseille Tana

LoveGasy.com
ChainesReportages photosTélévision Malagasy Radio Sobika Interviews Vidéos gratuites ArchivesTous les éditosServices Inscription Newsletter Les Sites Malagasy La Toolbar Sobika CD-DVD-livres gasy Ma sobika Contact Rédaction Contact Publicité Investor Relations
Paris Antananarivo : les billets et vols disponibles.
Madagascar Copyright Sobika.com ©2001-2006 Archives | Publicité | Contact| pret à la consommation |Investor Relations | Cd DvD VCD de Madagascar
Video de voyage | Kits Graphiques Gratuits | Billet Madagascar | Vol Madagascar Vol Paris New York - 1 Credit auto ? Credit voiture
Depuis 2001, Sobika.com parle de Madagascar autrement et met en valeur l'action quotidienne des malgaches dans le monde.