07/03/09 :
VAOVAON’NY FARITRA
06 MARS 2009
AMORON’I MANIA
Ambositra
- Nisy miaramila avy any Antsirabe sy Fianarantsoa tonga eto Ambositra manampy ny mpitandro filaminana eto an-toerana.
- Efa nandray nandraikitra tanteraka ny mpitandro filaminana ka efa voaaisotra avokoa ny barages nataon’ny KMDA.
- Nivory ny KMDA omaly ary nanapaka fa hiditra ao amin’ny Région androany saingy tsy sahy indray.
- Efa nanome toky ny mpiasa ao aminy ny Chef de Région fa raha mikasa hanao,na manao haza lambo azy ireo ny mpitokona dia handray andraikitra avy hatrany izy. Milamina araka izany ny resaka fandrahonana omaly.
- Tsy mivoha ny ankamaroan’ny fivarotana fa matahotra ny mpivarotra.
- Tapaka ny Radio Feon’I Mania (radio manohana ny hetsika TVG) omaly hariva; niverina izany androany maraina nefa hirahira fotsiny no alefany.
Fandriana
- Milamina ny tanàna amin’ny ankapobeny. Tsy nisy akony firy ny hetsika tao Ambositra
- Tsy nisy hetsika-na mpanohitra intsony tato anatin’ny tapa-bolana
- Voalevina omaly ilay ankizy voatifitra teny Ambositra tamin’ny 04 mars
- Midina kely ny vidim-bary ka efa latsaky ny 300 ariary ny kapoaka amin’izao; 4000ariary ny menaka en vrac raha 6500ariary ny amin’ny tavoahangy.
ATSIMO ATSINANANA
· Toa tany tsisy fanjakana: mitohy ny fandrahonana @ alalan’ny Radio sy antso an-tariby.
· Nahazo fandrahonana an-téléphone fa hodorana ny tompon’ny restaurant saika hanaovana fankalazana ny 8 mars ka nandà ny hanaovana izany
· Misy olona mitety @ moto eo an-tanana ka izay fivarotana na orin’asa misokatra dia mahazo menace : omaly misokatra ny banque: avy aty aoriana no ampidirana ny olona: nandalo ilay moto (entin’Mr Jeannot) ; après 1h nikatona ny banque satria nahazo menace
· Mikatona ny ankabeazan’ny fivarotana eo an-toerana satria matahotra ny olona ka toy ny tananamaty ihany anio.
· Saro-tahotra ny CR araka ny nambaran’ny olom-boafidy any an-toerana. Manao ville morte ry TGV dia ny region koa no manidy birao. Any Vangaindrano no ahitana azy matetika fa avelany ao ny chef lieu de region ao Farafangana.
HAUTE MATSIATRA
· Lalangina: efa natao ny déclaration’ny ray aman-drenin’ilay maty fa tsy miraka @ mpanohitra izy ireo:, mbola halefa aty @ radio mada io fanambarana io
· Fianarantsoa : Eto Fianarantsoa Zafy Albert sy Betina Bruno: namory olona; nitombo ny mpanatitra
· Hanazava ao @ radio Tsiry ao fianarantsoa ny deputes Ambalavao, Fianarantsoa , Ambohimahasoa anio hariva
· Mikasa hanao barrage ny lalana rehetra ny mpanohitra anioaprès- midi
ATSINANANA
· Vatomandry: niy contrat écrit nifanaovana t@ mpanohitra fa tsy hanao fihetsiketsehana mihitsy aloha izy ireo
· Efa mandehany jiro
Vakinakaratra
· Ambatolampy: tratra omaly hariva ireo nanafika sy namono ny Mairen’IAmbatolampy
· Antanifotsy: manamafy ny fangatahana famatsiana fitaovana (moto)ireo gendarme sy polisy. Tsy mbola tratra iero mpangalatr’omby;
· Manao Himo: olona 300 eo ho eo
· Betafo: Ny Maire taloha: Ravainafo no miketrika fikomiana
Tsy mety mandefa ny vaovao ny radio katolika eo an-toerana
Nisy fivorian’ny TIM mahakasika ny communication
· Manjakandriana: miomana @ fankalazana ny 8 mars
MENABE
-Ao Menabe misy karazany 3 ny mpanohitra:
- ny avaram-pianarana
-ny mpanarakan’i TGV
- ny andiany tsy misy mpitarika fa mpanao rahom-bava fotsiny
- iry andiany 1 no hanao conférence débat ao amin’ny boîte de nuit Lac Mafana izay fivoriana tsy nahazo alalana
- rehefa nozohina dia mifandray tendro ihany ireo andiany 3
MELAKY
-milamina fa ny TVM dia mbola tsy mandeha ihany hatramin’izao ary mangataka ny fandefasana techniciens haingana dia haingana
BETSIBOKA
-hetsika hataon’ny vehivavy amin’ny 8 mars :- fotoam-pivavahana
- carnaval ao amin’ny Place de l’Indépendance
- fizarana ny loka ho an’ny rencontres sportives
BOENY
-ny momba ny sénateur Dolsain no tena mbola manahirana satria tsy tsaho intsony ny feo mandeha hoe anisan’ny nanarama mpandroba izy na dia efa nanao démenti tao amin’ny N3 TV aza izy
- ireo mpandroba voasambotra dia mbola nanamafy izany ary milaza hoe :”hay ireo ao amin’ny Tim ihany no manao izany dia izay no voasambotra”
- sahiran-tsaina ny chef de region Hantavololona satria io Dolsain io dia ex-chef de region saika rehefa miresaka ny olona dia adino ilay “ex”
VATOVAVY FITOVINANY
· Manajary : M :278.897, 2è plan 3è éhelon ny no matricule ilay mitady hanao reforme scolaire nefa mpitarika ny mpanohitra izy ireo:RAMIANDRISOA EMMANUEL sy FANALO LOUIS.
· Amin’ny 11 no hatao ny entretien handraisana ireo candidat
· RAZANAMPARANY MEDARD no candidat faha-3 izy kosa dia manihana ny fanjakana
· Nivory ny TIM omaly ka tapaka fa hanao HIMO sy meeting de solidarité
· Maniry hanao HIMO ny aty an-toerana nefa manontany ny fomba ahafahana manao izany:
· Tsy mbola nahazo ilay CD nampanantena ny aty Manajary
SAVA
VOHEMAR
-Milamina ny ao Vohémar androany: miasa ny mpiasa, milamina ny mpianatra, manao ny asa andavanandro ny olona.
ANTALAHA
-Mianatra ny mpianatra, miasa ny mpiasa, izay no zava-misy ao Antalaha.
-Androany amin’ny 02.30 ora no voalaza fa hanao famoriam-bahoaka ao amin’ny Stade Municipal ireo mpanohitra tarihan’ny Depiote teo aloha, Razafindrapaoly. Voalaza koa fa ho avy an-toerana Ianonjafy Marcellin.
-Tsy hisy ny fankalazana ny 08 Martsa ao Antalaha renivohitra, fa any amin’ireo Kaominina ambanivohitra no hisy ny fankalazana.
SAMBAVA
-Milamina ny ao an-drenivohitry ny Faritra SAVA androany : mianatra ny mpianatra, miasa ny mpiasa…
-Nihaona tamin’ny Chef de Region sy ny Dis/Tim Sambava omaly tolakandro.
-Vokatr’izany dia hamory ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ireo sekoly samihafa misy ao Sambava, ireo Chefs de Services rehetra ary ny Emmo-Reg ny Chef de Region androany, ao aminy salle de réunion. Nantsoiny hanatrika izany koa ny avy amin’ny mpanohitra ka ampahafantarina an’ireo mpanohitra ireo ny hevitra tapaky ny tompon’andraikitra ho fampanjakana ny fandriampahalemana ao Sambava
-Eo an-danin’izany dia mandeha hatrany ny fandrahonana ataon’ny mpanohitra amin’ny alalan’ny Radio.
BONGOLAVA
TSIROANOMANDIDY
-Androany maraina no nokasa hamory vahoaka tao an-drenivohitry ny Faritra Bongolava ny mpanohitra. Tsy tanteraka anefa izany satria miady an-trano samy te-ho lohany ireo mpitarika ny mpanohitra any an-toerana.
-Nilamina tanteraka ny tao Tsiroanomandidy renivohitra androny : nianatra ny mpianatra, niasa ny mpiasa…
ITASY
MIARINARIVO
Milamina tanteraka koa ny tao an-drenivohitry ny Faritra Itasy androany. Tsy mbola re siosio akory izay mety ho famoriam-bahoaka ataon’ny mpanohitra.
SOFIA
-Tonga any an-toerana I Jao Jean, hitarika fitokonana
-Mivory ny ao amin’ny région ahitana izay fepetra tokony ho raisina
ANALAMANGA
-Nandray ireo masoivoho I Andry TGV. Ireo masoivoho dia nangataka ny hiverenany amin’ny fifampidinihana. I TGV kosa dia milaza fa tsy manaja ny zon’olombelona ny fitondrana
-Saika hanao conférence de presse I TGV fa tsy nanao indray
-Nasian-dry TGV barazy ny lalàna mankany Ambatobe
-Nilamina taty amin’ny ville satria lasa nanaraka ny tompony teny Ambatobe ireo mpandroba
-Niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nandrava ny barazy ny hariva ary namoaka ireo mpianatra ao amin’ny Lycée Français.
-Niala ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny 9 alina teo ho eo
-“Tsy andrimasom-pokonolona velively no mitangorongorona ety aminay, hoy ny mponina eny Ambatobe fa olona tsy avy aty aminay mihitsy. Maherisetra, jiolahimboto ary misotasota izy ireo”. Nisy fiaran’olon-tsotra nodorany.
-Androany 07 martsa maraina dia mangalatra ny pièce amin’ny fiaran’ny kaominina nalain-dry zareo omaly izy ireo.
-Velon-taraina ary matahotra mafy amin’ny ataon’ireo mpandroba olon’ny TGV ny mponina Ambatobe ka mangataka ny mpitandro ny filaminana. Mikatona avokoa ny mpivarotra eny an-toerana izao maraina 07 mars izao.
-Araka ny efa nanampoizana azy dia niaro ny zanany indray ny Mgr Odon Razanakolona, nisy ihany koa ny fanambarana avy amin’ny fivondronamben’ny Eveka.
FANAMARIHANA
-Araka ny efa nambara teto dia anisan’ireo nitarika ny tolon’ny TGV tany Ambositra ny mompera.
-Araka ny efa nitaterana azy teto ihany koa dia ny radio Haja ao Vakinankaratra no tena mandranitra ny olona sy mivoy ny fanaratsiana ny fitondrana
-Hervé Rakotozanany, izay ao amin’ny radio Don Bosco, dia mpanolon-tsaina an’I Andry TGV. Tany @ radio Haja izy io no nampiakarin-dry zareo aty Tana. Amin’ny ankapobeny dia izy foana no manolotra ny vaovao ao amin’ny radio Don Bosco.
-Mpanolon-tsaina an’I Didier Ratsiraka I Augustin Razanakolona ny taona 1997-2002, izay rahalahin’I Odon Razanakolona
-Ho an’ireo katôlika, mivory matetika amin-dry zareo lohandohan’ny mpisorona ireo dia mahalala tsara fa efa ela no nanohitra ny fitondrana izy ireo. Misy hira fanaony mihitsy amin’izany.
Midika izany fa mpomba ny TGV ny Mgr Odon Razanakolona ary efa ela izy no nanohitra ny fitondrana ankehitriny fa saingy tsy miseho mivantana fotsiny.
-Tsy tokony hadinoina fa mbola mpomba ny fitondrana ny maro an’isa amin’ny vahoaka malagasy, koa tsy tokony hamaivanina amin’ny tenin’olom-bitsy na dia mpitondra fivavahana aza.
-Tsy ara-tSoratra Masina velively ny fihetsika nataon’I Mgr Odon Razanakolona omaly ireny. Araka ny teny nataon’ny mpino maro dia olombelona ihany izy. Izay hevitr’Andriamanitra no tokony harahina.
-Tsara marihina ihany koa fa Mamy Rabesahala no anisan’ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’I masoivohon’I Etazonia. Olon’ny fitondrana kosa ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny UNICEF.
RETOUR ACCUEIL
Vous êtes un acteur de la vie malgache : sportifs, entrepreneurs, artistes, homme politique ect..Profitez de l'audience de Sobika.com pour faire connaitre vos actions et vos activités ! Contactez notre rédaction ici
Vol et billet d'avion pour Madagascar |